Madagascar:RABEARINOSY Jean Pierrot


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

“MIRALENTA  SY FANDRIAMAM-PAHALEMANA ANTOKA  HO AN’NY  FANDROSOANA  ATY ANKAZOABO”.

Ny  tenako dia  Mpiasa  ato amin’ny  Kaominina  ary mpikambana  ihany  koa amin’ny  Miralenta,  nanomboka ny  taona  2011 no  nidirako  amin’ny Fikambanana  Miralenta,  teto Ankazoabo  no  nanomboka ny  Asa,  ny tenako  dia  olona tia  fandaharana  mahampitarika ahy koa  rehefa  nisy ny  fampafatantarana  momba ny  fenitrin’ny  SADC dia  liana ny  tenako:Ohatra  fandaharana amin’ny  haino  aman-jery Malagasy  tamin’’ireny  fotoan’ny Tetezamita  ireny  ary mandrak’ity  androany( Ny  Zon’ny Vehivavy, 16 Andro iraisampirenena  Momba  ny heritsetra  atao  amin’ny Ankizy  sy  ny Vehivavy),  tsy  vitan’izany ihany  fa nisy  koa anefa  ny  fampafantarana  ny Kaominina  misy  anay fa  IVO-TOERANA  MENDRIKA ka tonga  taty  ny mpampiofana  amin’izany (Dokotera  Anissé(Malaimbandy) indrindra  ny tenan’Atoa Zotonantenaina  izay tena  fototra nanambara  amin’ny fikambananay,  isaoranay manokana  anefa  izy amin’izany  na  dia teo  aza  ny tsy  fandriama-pahalemana  nisy taty  aminay  ireny dia  tsy  nikely soroka  izy  fa dia  nanao  sorona ny  ainy. 

An’isan’ny maharesy  lahatra  sy nanahitra  ahy  ny fahafantarako  sy ny  fahenoako  ny  fenitry SADC  amin’ny fampandraisana  anjara ny  vehivavy  eo amin’ny  sehatry  ny fanampahan-kevitra  sy  ny fitantanana, betsaka  anefa ny eritreritra  noho ny  fomba  ara-drazana,  izany hoe toen-tsaina  mbola iraiki-tapisapy  nefa ireo  vehivavy  ireo anefa  an’isan’ny  manana traikefa  ihany  koa  na  eo amin’ny  fahaizana  manao izany  eny  fa  na ara-kevitra  izany,  izany anefa  no  nahatonga ahy ho  pitarika mitondra  fanovana ny  Miralenta  eo amin’ny  fiaraha-monina  ary zavatra  niova  teo amin’ny  fianako  dia narisiko ny  tenako  ary natao  ho  modely eo  amin’ny  fiaraha-monina  izany fa  indrindra  ny manodidina  ahy(Fikambanana  sy ny  tokan-trano).

Nanomboka  ny teny  amin’ny  Sekoly Ambaratonga  Faharoa  ao Ankazoabo  efa mpitarika ny tenako,  an’isan’izany ny fananganana  ny “CLUB  VITSY” ary efa nametraka izany Miralenta  izany  izahay na dia  mbola  tsy nahalala ity  fenitry  ny SADC ity ny  mpianatra(nahazoana Attestation  Manokana),  nandroso ny  foatoana  ka tonga  amin’izao,  betsaka ny  Fikambanana  izay misy  ny  tena ary  an’isany  mpitarika ihany  ny  tenako fa  ny  amin’ity Miralenta  ity dia  an’isan’ny  namparisika ahy,  fa ity  anefa  no tena nahitana  olana tamin’ny  fanatanterahana  izany raha  nandeha  hanentana ireo  namanay  any ambanivohitra  izahay  dia nifanena amin’ireo  dahalo  ka voaroba  tamin’izany  ny entana(Vola  sy ny  fitafiana,  finday ), tsy  nikely  sorika na  kivy  anefa ny  tenako  mpitarika fa  nasehoko  an’ireo namako  fa  manana fahavonona  ny  tenako izay  mpitarika,  izany hoe  na  dia nisy  ny  olana dia  tsy  maintsy miezaka  ihany ny  hanao ny  asa( namonjy  ny manam-pahefana,  ny  fiaraha monina, fikambanana   Tanora DINAsns…)  hiara misalaha  aminay hitan’ireo  mpiara monina  anefa  izany dia betsaka  ny vonana  ny hirotsaka  ho  mpikambana aminay  amin’izao,  araka izany  anefa ireo  anefa no nahatonga  ny fiovana nisy,  satria  na ny  ao  amin’ny tokan-tranoko  aza  dia hitako  fa  mizotra ampilaminana,  izany  hoe efa  tsy  mifampiambianina  na  ny  lahy na  ny  vavy fa  samy  afaka mifanampy,  izany  anefa no  taratra  eo amin’ny fiaraha  monina,  koa izany  no  nampiharaina amin’ny  fikambanana.

Tanjona notratrariko ny : Ahalalana  ny tsirairay  fa  efa nilaozan’ny  toetr’andro  ny fomban-drazana  iraiki-tapisaky; Fandraisan’anjaran’ny vehivavy (  an’isan’izany  ny firotsarana); Hanentana  ireo mpiara  monina  mba samy ahatsapa  fa  na ny  lahy  na  ny  vavy dia  samy  afaka mampandroso  ity  firenenan-tsika  ity; Hanao  ezaka ny hisian’ireo  Kaominina  hafa ity fikambanana  ary  hampiroboroboana  azy ity; Hanao ezaka  hanampy  ireo fikambanana any  amin’ny  Kaominina hafa  toy  ny fitaovana  fanamorana ny  asan’izy ireo  momba  ity fikambanana  ity.

Betsaka ny asa natao ka anisan’izany ny:Fanentanana  ny mpiara  monina  momba ny  miralenta  teny amin’ny  Radiom-paritra “SAKANAVAKA”; Fanampiana ny  mpiara monina  tamin’ny  fahavoaza izay  nahazo azy  ireny tamin’ny Fandalovan’i  Rivon-dratsy  na ny  lahy  na ny  vavy  na ireo kilema(Nanolotra  sakafo izay  voa -tsiarambina  sy  ny fitafiana); Fanolorana  vehivavy ny  fikambanana  ary nanoha  izany  tamin’ny firotsarahana  Ben’ny  Tanàna; Fampiofanana ireo Fikambanana  t@  E.T.I.C fiaraha miasa  miara  amin’ny Kaominina; fiaraha miasa  tamin’ny  JICA ihany  momba  ny fambolena  sy  ny fiovaovan’ny toetr’andro; Fanentanana  ary nampiofana  ireo  Kaominina hafa  momba ny Miralenta  sy fampandrosoana ary fanamboarana  tsangam-bato ho  an’ny  Miralenta sy ny fampandrosoana ary  io no  voalohan’ny  araha aty  ATSIMO-ANDREFANA,  tamin’ny  ireo asa  izay  natao anefa  raha  mbola tsy  resy  lahatra ireo  olona ireo dia  nanesoheso ireo  mpikambana, teo  ny nilaza fa  tsy  hitovy na  oviana  na  oviana  ary ny  vehivavy  tsy hisy  somotra(volom-bava)  na hisy lahy  hiteraka  izanynefa  tsy natao  ahakivy  izany rehetra  izany  na hampihemotra  fa  nanao izay  fomba  aharesy lahatra  azy  ireo.

Tena an’isan’ny  nanampy  sy nanamora  ny  fifaneraserana  aminay mivady  mianaka  ny fiovana  nisy  teo amiko  satria raha  misy ny  andraikitra  izay nosahanin’i  vadiny teo  aloha noho  ny saina  iraiky tapisaka(ohatra ny fikarakara  ny  ao an-trano, ny  fivoriana  eny amin’ny  maro,  izany hoe fivoriam-pokonolona dia efa  samy  afaka manao  izany  anefa izahay mivady  noho  ny fiovana  nisy  eo amiko  izany,  ary tena  mahomby  aminay tokoa  izany.

Anisan’ny  nanelingelina ny  fiaraha monina ihany  koa anefa  ny  fiovana nisy  satria noheverin’ny  maro fa resim-behivavy  ny  tena eo  ny  nanesoheso, niezaka  nandresy lahatra  azy  ireny ny  tena  ary nataoko  ho  modely amin’izy  ireny  izany raha nahita  anay  mianaka mivady  ary fianakaviako satria  nataoko ao  an-tsaiko  fa  mianga  avy ao  an-trano  sy ny  fianankaviako  ny faharesen-dahatra  izay  vao mitatra amin’izay  izy  ireny mora  resy  lahatra. Ny  fandraisan’izy  ireny izany  anefa  dia faly  izy  ireny satria  hita  ary tsapa  fa  mora ny  fifanampiana  eo  amin’ny fifandraisana  andraikitra,  izany hoe  efa  tsy mifampiandriandry  fa  afaka manatanteraka  izany  faly ary  dia  faly ny vady  aman-janako.

Nisy  fiovana teo  amin’ny toeram-piasako  izany  satria nanao  ezaka  hampitoboana ny  isan’ny  vehivavy ny mpitondra  raha oharina  amin’ireo tanjona  aorian’ny  2015 satria  taloha tena  tsy nifiry  ny  isan’ny vehivavy 2/18 fa  amin’izao  anefa dia  niakatra  ary raha ny  fanapahana  anefa rehefa  handray  mpiasa ny  toeram-piasako  dia ny  vehivavy  no jerena  aloha  ary tsara  ampafantarina  fa efa  ho  5/18 ny  izan’ny  Vehivavy ao  amin’ny  toeranam-piasako  fa raha eny  amin’ny  fikambanana kosa  dia 11/28  izy telo  aloha  fa amin’izao  anefa  dia 23/45 izy  amin’izao.

Lesona  azoko notsoahina  tamin’ny  fanatanterahana  ny asa  dia hita  fa  tena mbola niraikitapisaka  amin’ny fomban-draza  ny toe-tsaina  ka  an’isany izany  no nahasarotra ny  fanatanterahana  azy ity,  nefa  raha miezaka  ihany  ny tena  mandresy  lahatra azy  ireo  dia miovana ihany  io  toe-tsaina io,  tsy  vitan’izany  ihany fa ireo vehivavy  ireo   dia betsaka tamin’izy  ireny  no manana  fahafahana  handray anjara  amin’ny  sehatra rehetra  ary raha  jerena dia  mahomby  ny tetika sy  fahaiza  manaon’izy ireny  ka  izany no  nahatonga  ity vehivavy  iray  ity ny  hirotsaka  tamin’ny filatsahana  Ben’ny  Tanàna(Razafiarisoa  Berthine Raphaél)  izay  filohan’ny mpanolotsaina  ankehitriny.

Ary  ny zava-dehibe  dia  efa sahy  manao  ezaka izy  ireo  ankehitry fa  tsy  hiambina fotsiny  ny  lehilahy izao(Mamarotra,  mitady  asa na  amin’ny sehatr’inona  na sehatr’inona  ary  sahy miteny  izy  ireo amin’izao  noho  ny fampiofanana  sy  fanentanana nomena  azy  ireo).

Betsaka  anefa ireo  dingana  manaraka izay  tiako  hotanterahina ohatra: ny  fitadiavana sehatra  ho fanampiana  ny  lahy sy  ny  vehivavy tsy  an’asa, hanao  fangatahana amin’ny  fitondram-panjakana(Reny mpiahy) mba hisy tetik’asa  ho  an’ny vehivavy  manokana toy  ny fanomezana azy  ireo trano  sy  fitaovana fanjairana amin’izay  izy ireo  mba  afaka manohana  ny tokan-tranony  isany avy,  eny  koa na  ny  fanofanana azy  ireo  amin’ny sehatry  ny  fambolena koa.

Hanao  ezaka fampiroboroboana  koa ireny Kaominina hafa tsy  mbola misy  fikambanana mba hanangana  fikambanana fa  indrindra  ity  Miralenta ity  ohatra  ny Kaominina  izay  vao nisokatra  amin’izao  ireo,

Hangataka tetik’asa  momba  ny fiovaovan’ity  toetr’andro  ity satria sahirana  ny  vehivavy ary  izy  ireo no  tena  sahirana voalohany  amin’izany (fanokanana  trano  fanadiovan-damba ho  an’ny vehivavy, ary  izany  rehetra izany  anefa  dia hataoko ho  fiaraha  miasa amin’ny  maro satria  tondro tokana  tsy mahafoy  aho, ary  izay mitambatra  no  vato, izany  no  entiko hamaranako  izany  rehetra izany  ary  mametraka ny  tenako  fa tsy  maintsy  handroso dia  handroso  tokoa ity  fikambanana  Miralenta ity  raha  eto an’ivon’ny  Distrikan’Ankazoabo.