RANDRIAMANJARY


Date: June 5, 2014
  • SHARE:

Hatraminâ € ™ny fahakeliko aho tany am-pianarana no efa tia mitarika ny namako hanao fihetsiketsehana . Ohatra taminâ € ™izany ny manao latsakemboka 20 ariary hamidy gouter iarahana mihinana.
Rehefa lehibe aho dia lasa mpanabe, Ny taona 2006 no tonga nampianatra tao aminâ € ™ny LycÁƒ ©e Miandrivazo. Gaga aho raha nahita fa tena vitsy anâ € ™isa ny ankizivavy raha mitaha aminâ € ™ny ankizilahy manomboka ny classe de Seconde. Nalahelo aho ka rehefa nanontany ny namako lazainâ € izy ireo fa malaky manambady ny vehivavy araka ny fomban-tany Sakalava. Teo aho dia nangataka nanentana an-tsitrapo tany an-tsekoly ny mba hanohizanâ € ™ny zazavavy fianarana fa zony izany.Taranja Anglisy no ampianariko ka dia nampidiriko tao anaty lesona ny zonâ € ™ ny vehivavy mba ho raisinâ € ™ny mpianatra.Tena liana aminâ € ™io lohahevitra io ny mpianatra ary teo dia matetika miresaka ny MIRALENTA izahay sy ny mpianatra.Lasa tia taranja Anglisy ireo mpianatra ary nahatsapa fiovana lehibe ny Proviseur satria teo aloha zara raha misy mpianatra tonga rehefa io taranja io no atao.
Teo aminâ € ™ny lafiny fiaraha-monina tao am-piasana koa dia nahatsapa ny Proviseur fa lasa tena mifandray am-po sy mifanoro hevitra ny mpampianatra rehetra nanomboka ny niasako tao.Efa toetra voajanahary ao anatiko ny tia mifandray.Ny taona 2007 dia tapaka ny hevitray fa hikarakara fetin-tsekoly hampitaovana ny sosialy eto aminâ € ™ny LycÁƒ ©e.Tontosa soa aman-tsara izany ary tena nisongadina .Teo dia teraka ny hevitry ny Proviseur sy ny chef CISCO hanangana Associationâ € ™ ny mpanabe.Ny 2008 no nitsangana ny fikambanana « Association du Corps Enseignant de Miandrivazo » ka ny tenako no lany filoha taminâ € ™ny salanâ € ™isa 82%, teo no nanombohako ny asa fitarihana.
Ny taona 2009 dia niitatra tany aminâ € ™ny sehatry ny vehivavy izany asa fitarihana izany ary lany ho SGnâ € ™ ny « Association FÁƒ ©minine 08 Mars » ny tenako. Ny zavatra tsapako teo aminâ € ™ny fiaraha-monina dia tsy dia hita misongadina ny vehivavy eto Miandrivazo aminâ € ™ny sehatra fampandrosoana.Tsy misy sahy mandray anjara fitenenana ny vehivavy rehefa mivory.Ireo antony maromaro voalaza teo ambony ireo no nanosika ny feonâ € ™ny fieritreretako hanamafy ny fitarihana ny vehivavy hiroso bebe kokoa.
Tsy nitsahatra teo anefa fa nisolo tena ny vehivavy ny 09Aogositra 2009 hanangana ny « Plateforme Haricot de Miandrivazo »(PFH) satria ny Distrikanâ € ™i Miandrivazo no laharana voalohany aminâ € ™ny fambolena tsaramaso eto Madagasikara, ary io no tanjaky ny toe-karena eto aminay.
Ny 11 DÁƒ ©cembre 2010 aho no nahazo fiofanana voalohany momba ny « genre et leadership » tany Morondava niaraka taminâ € ™ny tetikasa SAHA sy ny EISA .
Nahazo fiofanana koa momba ny « genre et gouvernance » sy ny « fiatrehana ny fiovaovanâ € ™ny toetrâ € ™andro » ny 22 Novembre 2011 tany Antananarivo niaraka taminâ € ™ny Gender links sy ny SAHA. Nanomboka teo dia nitarika ny vehivavy nankalaza ny 16 andro iadiana aminâ € ™ny herisetra.


Download : 19147_mainapplicationleadershiphelenaramanantenasoa.docx

Comment on RANDRIAMANJARY

Your email address will not be published. Required fields are marked *