Madagascar: BABELY Nadia Nantenaina;


Date: August 23, 2018
  • SHARE:

Zaitra mahomby

Nadia dia monina ao amin’ny tanànan’I Morondava, faritra Menabe. Nihaona voalohany tamin’ny atrikasa momba ny miralenta izy tao amin’ny iray amin’ireo atrikasa nokarakarain’ny filankevitra ho an’ny ivon’ny tetik’asa ambony. Tamin’izany fotoana izany dia mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy eo an-toerana izy. Avy eo izy dia nanaraka ny fampiofanana momba ny fandraharahana.

Tanatin’ny enim-bolana farany dia nahazoana fidiram-bola 160 USD. Nandany 103 USD izy ary nahazo tombony 57 USD. Tanatin’ny enim-bolana manaraka dia nahazoana fidiram-bola 805. Nandany 610 USD izy ary nahazo tombony amin’ny 195 USD.

Taorian’ ny fampiofanana dia nanomboka tetikasa Confection I Nadia. Nahazo ny fitaovana sy zavatra ilaina izy hampandehanana ny tetikasany. Talohan’ny fampiofanana izy dia nanao asa ihany fa tsy  tena nandroso.Tsy nanarama olona izy teo amin’ny tetikasany.

Ny fanamby: Ny fahasembanako no tena olana lehibe tamiko; ny fidirako tao anaty ny fikambanana “varavarana tsara endrika “ no nanampy be ahy tamin’izany olana lehibe izany, teo ihany koa ny rano izay manelanelana ny tananako sy ny tananan’I Morondava, tsy maintsy mandeha lakana vao mahazo tanambe, nataon’nyolona fimehezana aho satria olona mitsambikimbikina mihisatra @ tany ny fahitana ahy, kanefa noho ny herintsaiko dia tafarina ihany aho. Vehivavy mandeha @ tongotra aho ary afaka mamindra irery , afaka miady @ fiainana ary afaka mirehareha fa afaka manana ny ilaiko @ fiainako andavan’andro ka tsy mena-mitaha @ hafa.

Taorian’ny fampiofanana dia afaka mampiasa ordinatera i Nadia ary nanokatra adiresy imailaka. Na izany aza, tsy dia niasa firy io traikefa vaovao io fa finday no tena hiseraserany amin’ireo mpanjifany ankoatra ny efa fahafantaran’ny olona azy.