Madagascar: Hantamalala Marie Angèl

Madagascar: Hantamalala Marie Angèl


Date: April 28, 2016
  • SHARE:

Hantamalala Marie Angèle no anarako. Ny fanatsoan’ny olona ahy moa dia Angèle, valo amby telopolo (38) taona aho izao ary mipetraka aoamin’ny fokontany Ambohimasina kaominina Ambatondrazaka. Anisany zaza tsy mba nanana dada nikarakara aho fony mbola nianatra, ka rehefa iny mba fotoana tsy fianarana iny aho dia miezaka mitady asa madinika atao mba ahafahana manampy an’I mamanay. Ny asa natao moa tamin’izany dia ny mandeha manarato manaraka an’I mamako. Tonga ary ny fotoana ka nanapa-kevitra ny hanambady aho. Noheveriko fa mba ho fifaliana ny iainanako raha tafiditra amin-tokantrano saingy indrisy! Tsy nieritreretiko ny zavatra niseho anefa fa dia fijaliana no niandry ahy satria dia tsy mba nomen’ilay vadiko vola fa laniny amin’ny toaka sy ny vehivav. Ka raha mba miteny aho dia vono sy ompa ny azo nefa ny zaza tsy misakafo. Hoy ilay vadiko amiko : “ ny volako indray dia tsy mba omeko anareo izany mihitsy fa mba mandehana mitady”. Ontsa tokoa ny fo raha naheno an’izany. Naheno an’iny aho dia lasa nanarato any Andreba sy any Ambatosoratra miaraka amin’ny  namana. Vao tonga ao an-trano aho dia avy izy ilavanina amiko, rehefa avy any amin’ny vehivaviny any izy. Rehefa mafana loatra moa ny rano dia mangotraka ka nanontaniako izy hoe iza aminay roa vavy moa no tianao. Ny valiny azoko dia samy tiany hono izahay.

Raha tsy manaiky aho dia midika hono hoe misy olona hafa miaraka amiko ary ho vonoany hono izaho sy ny sakaizako. Tao aoriana kelin’izay dia nolazainy fa tsy nisy fitiavana intsony tao an-tokantrano dia nahoriny daholo ny entany. Nihaona izahay afaka andro vitsivitsy dia hoy indray izy hoe tsy maintsy mifandray hono izahay mirahavavy. Nolaviko avy hatrany izany zavatra noteneniny tamiko izany. Ka notaritaritiny nivoaka ny trano aho sady novonovonony sy nampihinanany fotaka maloto tamina lavaka “fosse septique” ary naratra aho tamin’izay sady notapenany tamin’ny fotaka ny vavako. Nilefa raha vao tafatsangana ka napetrako tamin’ny mamanay ny zanako telo mianadahy. Avy eo izy nitady ahy tany amin’ny mamanay, dia hoy inty farany hoe “raha maty ny zanako dia tsy miala aminao aho”. Tonga saina rangahy avy eo ka niova filamatra indray aloha nanajanona ny fanitsakitsahana fa ny toaka indray no nohaniny sady mamono. Nahita ny vola nampidiriko indray izy dia niova kely, ohatra na dia misotro aza izy dia efa mba tsy mamono.

Mba nifanerasera tamin’ny madame Rasoamaniry aho dia nohentaniny hoe andao hiaraka aminay ao amin’ny fikambanam-behivavy  miady amin’ny herisetra ka somary nazavainy tamiko moa ny mahakasika an’ilay Gender Links ka avy hatrany aho dia liana tanteraka.

Hatraminy nidirako nanao fiofanana ny taona 2014 dia tsapako fa niova ny fiainanay tao an-tokantrano satria milamina ny zanako na dia eo aza ny fahamamoan’ny vadiko isan’andro. Ny fidiram-bola nitombo satria nahay nandrindra ny fotoana hiasako aho.ohatra ny tapany maraina aho miasa mandray vola isam-bolana ary ny tapany hariva kosa dia manjaitra sy mivarotra. Marihiko moa fa dia ao an-trano aho no manjaitra sy mivarota enta- madinika.

Maro ny fahalalana azoko tamin’izany  toy ny business plan, ny fitondran-tena, ny fahaizana miresaka sy maneho hevitra, ary ny fialana tamin’ny toetra ratsy natao teo aloha. Vehivavy nihanjadian’ny herisetra ny tenako ka rehefa nahazo fiofanana naharitra dia nahita tombontsoa be dia be aho  teo amin’ny fiainako satria afaka mikajy ny vola miditra sy mivoaka, hany ka ahazoako tombony betsaka ireo zavatra ataoko asa ireo.

Izao dia anisany nanatrika ny fiofanana nanomboka voalohany ka hatramin’ny farany na dia teo azan y olana maro isan-karazana manakatsakana ahy toy ny eso tenin’olona, ny latsaltsa hoe mandany lera any fotsiny. Anisany ny zavatra tena nahaliana ahy ny fanaovana kajy ny vola miditra sy mivoaka satria moa aho dia mpivarotra ka tena lasa nahazo tombom-barotra mihoatra ny teo aloha aho ankehitriny ary ny fahalalana momba ny drafitra asa fandraharahana. Marihiko fa tsy mitovy mihitsy ny olona nanao fiofanana momba ny fitantanana sy ny tsy nanao. Etsy andaniny kosa anefa dia nisy ihany ireo zavatra tsy nilaiko tahaka ny fampiasana solosaina satria tsy haiko ny nampiasa azy sady tsy itako akory izay ilavako azy noho ny fahalafosany sy ny fahasarotany, ny radio ary ny television.

Maro ny olana nosedraiko nandritra ny fiofanana. Ohatra ny tsy fisiana toy ny vary nefa dia niezaka aho namaha izany olana izany ka nandeha tany amin’ny namako aho aloha nitaraina ka voavaha ihany anefa. Olana hafa manaraka indray dia ny momba ny vadiko, rehefa mandeha manao fiofanana iny aho dia mangaltra ny vadiko ka atakalony toaka ny zavatra angalariny ao an-trano. Tsy ataoko mahakivy anefa izany fa miezaka hatrany aho manarina ny tsy mety. Ny tena mampalahelo dia izao rehefa tenenina ilay vadiko dia ahiliny amin’ilay zanako ny fangalarana izay nataony satria momba ahy ilay zanako. Nolazainy fa mampiady anay ny zanako ka rehefa lasa mivoaka aho dia anaovany teny maharary ny zanako telo vavy. Ampitahoriny ireo zaza ireo hoe tsy omeny vary raha miteny zavatra very ao antrano amiko rehefa fantany fa akaiky ody aho.

Mpanarato ny asako taloha ka nahavelona ny zanako fa saingy kely ihany ny tombony azo. Nandeha ny andro sy ny taona dia niova hani-masaka sy legioma aho ary vary fotsy dia najanoko koa ireo aveo satria dia niditra fatiantoka. Nomen’ny mamako milina fanjairana indray aho ho ampiasaiko satria manko aho mahay manjaitra. Ankehitriny aho dia mbola manjaitra, ny toizako indray ny fivarotana hani-masaka satria efa nahazo fiofanana tsara aho momba ny asa fandraharahana sy ny tsenam-barotra ary ny fitantanana. Ary mbola niampy asa raikitra ihany koa ireto farany satria dia mikarama aman’olona ny tenako ka mahazo vola isam-bolana. Izany hoe telo izany no isan’ny asa vonjeko amin’izao fa saingy aiko daholo ny mandahatra ny fotoanako mba ahafahako milamina eo ampanatanterahana azy ireo. Ary mbola manao sasa lamba tselika aho rehefa mahita. Izaho dia olona tsy mba mifidy asa fa rehefa mety ahazoam-bola dia ataoko daholo.

Tena nanampy ahy hivoatra tokoa ny fampiofana izay nataoko taty satria nitombo ny fahalalana, afaka mbola manitatrany zavatra tokony mbola atao, lasa nahay nitantam-bola, nahay momba ny tsenam-barotra, afaka nampiasa ny miralenta aho tao an-tokantranoko. Marihiko hatrany ny fiofanana izay nataoko dia anisany nitondra vokatsoa teo aminay mivady satria dia efa mifanaraka tsara izahay amin’izao.

Ny kaominina Ambatondrazaka aloha dia anisany nanampy anay be dia be teo amin’ny fanatanterahana ny fiofanana satria nanome an’I Madame Rasoamaniry ho reny mpiahy anay amin’ny fiadiana ny herisetra mianjady ny vehivavy aty amin’ny faritra.Isaorako manokana I madama satria rah tsy nisy azy ny tao amin’ny kaominina dia tsy mba nahafantatra izany Gender Linksizany izahay. Teo ihany koa ireo mpiasan’ny population indrindra ny Tale izay nananatra ny tsy mety sy nanoro lalana ho anay ary izy no anisany nihaino anay rehefa tojo olana izahay ka mandeha mitaraina aminy dia tsy maintsy mahazo vaha olana. Isaorana ihany koa ireo mpampiofana anay izay nanainga tongotra avy any lavitra any nizara traikefa taminay. Teo ihany koa ny vady aman-janako izay nampahery ahy hatrany.

Tamin’ny mbola tsy niatrika fiofanana moa dia betsaka ireo herisetra nieretako toy ny tefaka rehefa tenenina amin’ny ataony izy, ny fanitsakitsana, ny hamamoana, ny hala-tety atao mba atakalo toaka hohanina, ny lainga maro isan-karazany. Etsy ankilany kosa anefa dia tsy miaina anatin’ny herisetra intsony aho aminn’izao satria efa nampiariko daholo ny zavatra rehetra izay nianarana tamin’ny fiofanana no karakarain’ny Gender Links ary tena afa-po sy nafinaritra ahy raha izaho manokana no anotaniana.

Maro ny zavatra nampiova ahy, ohatra amin’izany rehefa mody avy manao fiofanana iny aho na dia mamo aza ny vadiko miditry ny trano dia tsy mba mitabataba azy otrin’ny taloha aho fa miteny moramora. Ka nahatonga saina ilay vadiko ny fiovana tamiko dia tsy namono intsony izy fa mipetraka tsara. Izaho raha teo tia mizara izay mba fampianarana azoko amin’ireo fianakaviako, eny fa na dia amin’ny manodidina ahy ary dia ifampizaraiko. Ankoatra izany moa dia rehefa ny vehivavy no tsy iharan’ny herisetra ao an-tokantronony dia milamina daholo ny fiananany ka hatramin’ny fidiram-bola.

Manarak’izay  dia niova tanteraka ny fifandraisanay mianakavy kely ao an-trano satria tsy misy intsony ny ady, ny tabataba, ny famonoana ary ny fidiram-bola mandeha tsara. Tsapanay fa tena manjaka ato aminay ny fifankatiavana, ny fifampizarana ary indrindra indrindra fa ny fifanajana. Samy mirary ny mba hanatontosako sy hanohizako ny fitadiavam-bola izay ataoko daholo ireo olona manodidina ahy rehetra. Ary na ny vadiko mpamono ahy sy mpanao ireo fietsika feno habibina amiko ary dia tena gaga sy talanjona aho no mijery azy satria na dia nahazo toaka ary izy dia tsy mba manao ahy otrin’ny teo aloha. Ka na izy ary niova be. Ny manodidina moa dia gagagaga sy mitahan-takolaka mihitsy satria fiainana milamina no iainananay.

Raha ny amiko manokana dia tsy misy ifandraisany ny fahazakan-tena ara-bola sy ny herisetra satria ny voalohany dia ny fahaizana mitantana sy mitsinjara ny vola miditra sy mivoaka. Na koa hoe fahaizana mampiasa vola, ny fahaizana mitantana ny fandaniana rehetra. Ny faharoa kosa indray dia fihetsika mahery mahazo ny vehivavy ao an-tokantrano toy ny vono mahazo isan’andro rehefa mamo iny ilay vady. Maro dia maro moa ny herisetra fa izay mba nahazo ahy matetika ihany no teneniko eto.

Mikasika ny eo anivon’ny fiaraha monina indray dia nisy fiantraikany be dia be ny fiovana teo amiko satria lasa tia mifandray aman’olona aho, tia mizara sy manampy ny sahirana toa ahy. Ka izany fiovana izany no nanosika ny vehivavy sasana hizara ny olana amiko ka misy amin’izy ireo mihitsy ary no mba miteny amiko hoe mba teneno koa akia izahay rehefa mba misy fiofanana ianareo fa toa ahitana tombon-tsoa be ilay izy eo amin’ny fiainana sahady ahaizana zavatra maro.

Ny mpiray vodirindrina moa nahita ny tokantranonay milamina sy nahita ny fivarotana nandroso tsara dia variana satria lavitry ny toetra ratsy teo aloha tahaka ny herisetra aho ka nandeha daholo ny fitadiavam-bola izay ataoko. Gaga ihany koa ny namako raha tsy nahita ahy mindrana zavatra toy ny vary fotsy, trano itobiana rehefa vokapoky ilay vady amin’izy ireo.

Ny fanentanana ireo vehivavy iharan’ny herisetra no anjara biriky ho entiko eo amin’ny fiaraha monina. Ary mampahery azy ireo ihany koa aho mba tsy ho kivy eo amin’ny fiainana fa mba miezaka manarina ny tsy mety. Miezaka ihany koa aho ny mba mifampizara ireo traikefa nananako sy azoko tamin’ny fampianarana izay nataon’ireo mpampiofana tao amin’ny Gender Links amin’izy ireo indrindra ny mikasika ny fitondran-tena entina manoitra ny herisetra ataon’ny vadin’izy ireo.miresaka ihany koa aho ny momba ny fomba fandraharahana mba ahafahany mampandroso ny fitadiavany. Ary manentana ihany koa aho ny mba hanantonan’izy ireo ny manam-pahefana rehefa ianjadian’ny herisetra.

Tao aorinan’ny fiofanana aho dia nahatsapa fa toa nanana tombony tsy itovizako amin’ny hafa aho satria ohatra izaho dia afaka manampy any vadiko eo amin’ny fandraharahana nohon’ny fahaizako mandamina tsara ny fotoanako, ny fahaizako mitondra tena sy ny mifandray aman’olona n any fomba firesahana ary dia efa tsy mitovy amin’ny taloha intsony. Anisan’ny tombony lehibe hananako ihany koa ny fahaizana mametraka paikady rehefa misy asa tiako ho tanterahana.

Betsaka ireo lesona azoko notsoahina tao amin’ny fiofanana satria nahay momba ny asa fandraharahana sy ireo drafitrasa samihafa toy ny fitatanam-bola sy fanaovana tolo-bidy.

Momba ny varotra sy zaitra moa ny zavatra ataoko dia noho ireo dia manontany ny mpanjifa aloha aho sy mijery ny zavatra tsy ampy amin’ny manodidina, avy eo dia raisiko an-tsoratra ireo hoe inona no zavatra tsy misy. Diniko tsara aloha, avy eo aho vao manapa-kevitra sao manko hapiditra fatiantoka ho ahy fotsiny ilay izy. Farany aho vao mitana an-tsoratra ny vola miditra sy mivoaka.

Ny hivarotra friperie any ambanivohitra no tena mba faniriako indray aloha amin’izao satria efa nahitako toerana sy ny zavatra ilain’olona any. Ka raha mba mahangona vola bebe aho amin’izao dia mbola ampiako an’izay ireo fitadiavako ireo. Mino aho fa afaka 15 taona dia hitombo be ny ato an-trano ary mba hitovy amin’ny olona rehetra amin’izay. Mba efa patron kosa e! Tsy misy ambara ny ankoatra izay fa dia ny fisaorana anareo mpampiofana nanainga tongotra avy any lavitra any. Andriamanitry ny fiadanana anie homba anareo sy ny fikambanana.