Madagascar: Klert Emilienne


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

“Hanova ny toe-tsaina hitondrana fanovàna »

Klert Emilienne dia vehivavy 46 taona izay monina ao amin’ny filan-kevitry ny tanàna ao Tamatave, any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara. Izy dia iray amin’ireo mpandray tombontsoa amin’ny fampiofanana momba ny fanabeazana entin’ny Gender Links (GL) tamin’ny taona 2013. Nanao fiompiana trondro sy akoho izy taorian’ny fiofanana azony.

Tanatin’ny enim-bolana farany dia nahazoana fidiram-bola 676 USD ny fiompiana trondro, 230 USD ny fiompiana akoho. Nandany 548 USD izy ary nahazo tombony amin’ny 907 USD. Tanatin’ny enim-bolana manaraka dia nahazoana fidiram-bola 1352 USD ny fiompiana trondro, 461 USD ny fiompiana akoho. Nandany 933 USD izy ary nahazo tombony amin’ny 1814 USD

Vokatry ny fampiofanana dia nanomboka tetikasa roa I Klert emilienne. Nahazo ny fitaovana sy zavatra ilaina izy hampandehanana ny tetikasany. Klert Emilienne dia mitantana kaonty amin’ny banky ary mivoatra ny tetikasany. Tena nila nanarama olona tokoa izy teo amin’ny fiompiana trondro satria dia mila mpiambina.

Fitanana antsoratra ny fiompiana eo amin’ny fanisana sakafo sahaza azy, fitanana antsoratra hiany koa ny vola miditra sy mivoaka.

Fomba fanarahamaso ny biby fiompy eo an’ny fananaovana vakisiny sy fikojakojana ny tranon’akoho.

Eny manana ireo fahaiza-manao ireo izy satria manana Cahier fandraisana antsoratra ny asa fandraharahana, efa niofana momba ny fiompiana Akoho gasy koa.

Taorian’ny fampiofanana dia afaka mampiasa ordinatera i Lebakeng ary nanokatra adiresy imailaka. Izany dia nanampy tamin’ny fandraharahana. Izy dia mampiasa teknolojian’ny finday mba hiseraserana amin’ireo mpanjifa.