
SHARE:
Raha vao vita ny fihofanana niarahana tamin’ny Gender Links ny 16/09/2014 dia nanampa-kevitra ny hiasa aho mba hananako fahaleovan-tena ka “GARGOTTE” no asa nosafidiako tamim’izany. Mivarotra composé, lasopy isan-karazany, misao, Khimo, café, dité, mofo ary jus.
Eo amin’ny Gare routière Régionale no toerana hivarotako ary efa manana toeram-pivarotana 2 aho amin’izao fotoana izao.
Tany amboalohany dia vola 10 USD no niantombohako niasa ary nihitatra tsikelikely izany.
Ireo mpamily sy ny mpiara-miasa aminy, ny mpandeha taxibrousse ary ireo olona mandalo sy mipetraka amin’io faritra io no mpanjifa.
Ny nahalalako an’izy ireo dia noho izy mivezivezy manodidina ny toerana hivarotako, nanandrana ny sakafo hamidiko ary lasa mpanjifa avy eo sy nitondra ireo namany ihany koa.
Vokatry ny fampiofanana aho dia nanomboka nanatsara ny asako. Nahazo ny fitaovana sy trano ilaina ahp hampandehanana ny asa. Efa main-tany izao, miakatra ny vokatra ary ho maro ny olona mifamezivezy. Ho avy ihany koa ny fialan-tsasatra, noho izany dia hampitomboiko ny entana hamidiko mba hanatratrarana io vinavina io.
Ny fanamby lehibe nataoko tamin’ny fametrahana ny asako dia ny fahazoana miditra amin’ny fitantanam-bola, ny fanampiana ara-bola amin’io lafiny io. Afaka nahita trano izy, nahita ny tsenany ary nitazona firaketana momba ny fidiram-bola sy ny fandaniana amin’ny fampiasana ny fahalalana azony tamin’ny fampiofanana.