Madagascar: RAHANTAMALALA Marie Charline


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

Mivarotra manga sy lasary manga no asako. Mandeha eny amin’ny tobim-piantsonana sy eny andalana rehetra eny aho ra mivarotra. Mividy manga aho, ary avadiko lasary izy avy na tsiriry. Ataoko madio tsara ny vokatra amidiko mba hiavaka amin’ireo mpivarotra.

Ny vola miditra tamiko tamin’ny enim-bolana  farany teo dia 718,75 USD. Maminavina hahazo tombony 1 690,625 USD ny tenako amin’ny enim-bolana manaraka.

 Efa nanomboka io asa io aho talohan’ny nahazahoako ilay fiofanana. Izany fiofanana izany dia nahaizaka nanatsara ny asako ary novoatra hatrany. Nihitatra ny asako. Nampitomboko ny entana amidiko mba hampitomba ny vokatra azoko.

Somary sarotra tamiko ny fitadiavana vola hampiasaiko sy ny toerana. Kanefa kosa dia nampihariko hatrany ny fiofanana azoko ka nahaizako nitantana an-tsoratra ny vola miditra sy ny fandaniana rehetra fa hahafahako mandrefy ny vokatra azoko.