Madagascar: RAHELIBENJA Mamy Tiana


Date: August 22, 2018
  • SHARE:

Yaourt Mamy

Tamin’ny taona 2015 I Mamy Tiana no nanomboka niara-niasa tamin’ny Gender Links. Nampanantsoina, nisy fanadihadiana natao taminy, Formation nataon’ny Gender Links no tena nafantarany momba ny Miralenta. Tamin’ny taona 2014 izy dia nanaraka fampiofanana nataon’ny Gender Links, taorian’ny fampiofanana dia nanomboka ny asa fandraharahana fivarotana yaourt sy vokatra avy amin’ny ronono izy, eny amin’ny toerana be olona mivezivezy toy ny eny an-tsekoly (buvette), eny an-tsena, épicerie, eny amoron-dranomasina, amin’ireo mpiara monina manodidina, ireo mpanenjika tsena any amin’ireo fivondronana manodidina: Marovoay, Betsako, Mahajamba, Bongolava

Tanatin’ny enim-bolana farany dia nahazoana fidiram-bola 1566 USD. Nandany 1062 USD izy ary nahazo tombony 504 USD. Tanatin’ny enim-bolana manaraka dia nahazoana fidiram-bola 1900. Nandany 1487 USD izy ary nahazo tombony amin’ny 413 USD.

Taorian’ ny fampiofanana dia nanomboka tetikasa varotra yaourt I Mamy tiana. Nahazo ny fitaovana sy zavatra ilaina izy hampandehanana ny tetikasany. Talohan’ny fampiofanana izy dia nanao asa ihany fa tsy tena nandroso. Ny fiofanana narahiny no nitondra fiovana ho azy. Nihaniroborobo tokoa ny asany.Tsy dia nampiasa olona izy teo amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa.

Ny fahalemeny,Tsy fahampian’ny vola sy fitaovana tena matihanina (milina vaventy) hamokarana bebe kokoa. Ny herijika ananany:Tiany ilay asa ary tena hainy sy voafehiny, teo koa ny fahafahana mihetsika tamin’ny fananany fitaovana.

nampiasainy sy ilainy ary ny fiofanana azo tamin’ny Gender Links ihany koa dia tena nanampy ahy betsaka tamin’izany.Ny fahasahiana mindram-bola tamin’ireo micro-finance izay nahafany nampitombo ny vokatra novokariny.Miasa foana aho hatramin ny alahady.

Taorian’ny fampiofanana dia afaka mampiasa ordinatera i Mamy Tiana ary nanokatra adiresy imailaka. Na izany aza, tsy dia niasa firy io traikefa vaovao io fa efa fantatry ny mpanjifany ny .Ireo mpamandrika entam-barotra (mpaka amin’ny ambongadiny) toy ny mpivarotra eny an-tsena, buvette, lanonana samihafa, …Ireo mponina manodidina izay mividy antsinjarany.Nahafantarana ny mpanjifa dia ny fanantonana mivantana any amin’ny toerana misy azy (ecole, tsenam-barotra, …). Ireo samy mpanjifa no mifampiresaka sy mifampitaona.Ireo mpanjifa ivelany Mahajanga dia tamin’ny namana no nahafantarako azy. Raha 1 ihany izany tamin’ny voalohany dia efa 3 izy zao.