Madagascar :RAHELINIRINA Gisele


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

 “Fivarotana gisa”

Anisan’ireo vehivavy mpandraharaha nofanin’ny Gender Links I RAHELINIRINA Gisele, ao Ampasimbe Onibe izy no mipetraka,. Iray  amin’ireo mpandray tombontsoa amin’ny fampiofanana momba ny fanabeazana entin’ny Gender Links (GL) tamin’ny taona 2014. Nanao fiompiana sy fivarotana gisa izy taorian’ny fiofanana azony.

Tanatin’ny enim-bolana farany dia nahazoana fidiram-bola 1475 USD. Nandany 289 USD izy ary nahazoana tombony 1186 USD. Tanatin’ny enim-bolana manaraka dia nahazoana fidiram-bola 4812 USD. Nandany 2037 USD izy ary nahazo tombony 4608 USD.

Taorian’ ny fampiofanana dia nanomboka tetikasa fiompiana sy fivarotana gisa matavy.Rehefa nahazo ilay fiofanana nataon’ny Gender Links ny amin’ny resaka fitantanana dia nandroso tsikelikely ny fitadiavana, nahaizany nikajy sy nitantanana. Nitombo ny vokatra rehefa nampiharina ilay fiofanana.

Ny herijika ananako amin’ny fitantanana ny asa  andraharana, toerana amoron-dalana no talaky maso no misy ny asa fandraharana ataoko ary manana Machine FITOTOM-BARY aho, ka tsy manahirana ahy ny sakafon’ny gisa.

Manana tokotany malalaka aho , no voafefy vato , ka tsy atahorana amin’ny mpangalatra, mpampanofa tanim-bary koa aho ka ny hofany dia atao vary ho sakafon’ny biby fiompy, Manana toerana fandroan’ny gisa koa aho ary soloina isakin’ny 3 andro ny rano ao aminy .

Ny fahalemeko : Amin’ny fotoana rivo-doza indraindray simba ny vary, Amin’ny fotoan’ny ririnina somary sasatra ny sakay.

Taorian’ny fampiofanana dia afaka mampiasa ordinatera i Gisele ary nanokatra adiresy imailaka. Na izany aza anefa, Miditra isan-tokan-trano mampahafantatra, mametaka affichages , panneau publicitaires manondro ilay asa fandraharahana manao dokam-barotra amin’ny radio , tele, angazety.