Madagascar: RASOAMANAMBELO Veronique Erica


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

Mpivarotra trondro eto Mahajanga ny asako. Maka trondro eny amin’ny lakana no nataoko taloha. Tao aorinan’ny fiofanana azoko dia nanomboka nivarotra ny trondro izay alaiko. Eny amin’ny tsena no ivarotako izany ary avadiko trondro maina izany mba tsy hahafaty antoka ahy. Nahazo tombony 480 000 Ariary aho tamin’ny enim-bolana farany tamin’ny trondro maina.

Maminavina hahazo tombony 7 674 600 ariary aho amin’ny enim-bolana manaraka.

Vokatry ny fampiofanana aho dia nanomboka nanitatra ny asako aho. Nahazo toerana hivarotana aho ao atsena. Nanitatra ny varotra ataoko aho tamin’ny famarotana trondro maina izay ahitana tombony betsaka.

Ny fanamby lehibe nataoko tamin’ny fametrahana ny orinasany dia ny fahazoana miditra amin’ny fitantanam-bola, ny fanampiana ara-bola amin’io lafiny io. Afaka nahita trano aho, nahita ny tsenany ary nitazona firaketana momba ny fidiram-bola sy ny fandaniana amin’ny fampiasana ny fahalalana azoko tamin’ny fampiofanana.