
SHARE:
Rasoavololona Alice no anarako, monina ao amin’ny Cité Famonjena. Hatramin’ny kilasy faha-9 ny fianarana nataoko. Kely kamboty aho dia nampijalian’ny renikeliko. Nanomboka teo amin’ny faha 13 taonako aho efa niasa. Ny asa nataoko tamin’izany dia mitaona rano, taim-bakona. Ny vola rehetra azoko tamin’izany dia nomeko io renikeliko io avokoa. Nahatsiaro nijaly tokoa aho tamin’izany satria kamboty ka tsy nanana olona hitarainana intsony. Ny raiko moa dia tsy teo an-tanàna lava.
Amin’izao fotoana izao dia manan-janaka enina aho ka ny efatra efa manam-bady, ny roa lahy sisa no andraikitro. Marihiko moa fa efa maty vady aho. Tamin’ny taona 1982 aho no nanam-bady ary natao soratra ara-dalàna. Tamin’izany andro izany moa dia ny Ray aman-dreny ihany no mifidy izay ho vadin’ny zanany. Izany hoe vady natolotra ahy io vadiko io. Nekeko moa izany satria efa io olona io no hitan’ny Raiko fa mety amiko ka tsy afaka nandà aho. Tao anatin’ny telo taona dia nilamina tsara ny fiainanay ary tsy nisy firy ny olana. Tao aorina kely anefa dia nanomboka niova izy. Nanomboka nisotro taoka lava, izay zavatra tsy fanaony teo aloha mihitsy. Rehefa misotro taoka moa izy dia lasa mahery setra izay tsy izy ary mila ady amiko. Ny niafarany dia lasa mamono mihitsy izy, ary tsy izaho irery no hampiarany ny heriny fa na ireo zanako koa aza. Tsy fantatro izay nahatonga azy niova toy izany. Asa na noho izaho tsy miasa angamba ka nanjary ho vesatra ho azy ao an-tokantrano. Ny zanakay koa moa maro rahateo hany ka lasa tsy zarizary ny fiainanay tamin’izany. Etsy an-danin’izany koa ny maha kamboty Ray sy reny aho tamin’izany ka tsy nisy niaro sy niahy ahy intsony. Tsapako ho niady irery aho. Ny fisian’ireo zanako no hany hery nentiko niotra tamin’ny fiainana.
Maro ny karazàna herisetra nihatra tamiko. Anisan’izany ny vono, ny latsa, ny teny ratsy moa manginy fotsiny. Ny vadiko moa dia zara raha nanome vola anay hivelomana. Taty aoriana dia tapa-kevitra ny andeha hikarama aho. Niasa trano sy nanasa lamba no nataoko. Rehefa hitany fa mahazo vola indray anefa aho dia vao maika nitombo ny fankahalany ahy. Rehefa mody an-trano izy ka tsy ampy ny an-tokantrano (sakafo, pétrole, café sy siramamy) dia vonoiny aho. Tsy vitan’ny mamono ahy sy tsy manome vola anay anefa izany fa mampirafy ahy ihany koa izy satria henoko fa manana vady kely izy any. Rehefa hariva ka tonga ao an-trano izy dia avy hatrany dia mamono ahy, mandatsa ary mitabataba ka nahatonga ahy harary fo mihitsy. Rehefa mitaraina amin’ny havako aho dia tsy mba mahazo rariny fa teren’izy ireo fotsiny hody hamonjy tokantrano. Hany ka voatery aho hijanona ao foana satria tsy misy aleha.
Ny hany hevitra tao an-tsaiko dia ny hoe tsy hiala ao an-trano aho na mijaly aza na inona na inona manjo ahy ao. Tsy nametraka fitoriana aho satria ny fianakaviana rahateo tsy nisy nihaino ahy na nanohana ahy. Taty aoriana kely dia maty ilay vadiko. Nony maty izy dia nandeha nifindra trano tany amin’ny zokiko lahy aho satria tsy nahita aleha izaho sy ny zanako. Ny vola koa tsy nisy satria ny karama azoko dia zara raha mahampy ny sakafonay. Nirindra tsara ny fiainanay nandritra ny telo volana. Avy eo anefa dia nanomboka nisy olana teo aminay mianadahy. Nanjary nampisy olana teo amin’ny vadiny ny fitoeranay tao nohon’ny tsy fisian’ny vola ka lasa vesatra ho azy ireo. Noho izany dia lasa aho nandeha nipetraka teny amin’ny lalam-by (trano sachet). Nipetraka teny telo taona izahay no nandeha tety amin’ny akany fandraisana olona sahirana. Taty aoriana anefa dia mbola tojo olana hafa indray aho. Rehefa tsy mahita sakafo ao an-trano ny zanako lahy dia izy indray no lasa mamono ahy. Tsy tantiko izany ary mankarary ny foko. Izany no nahatonga ahy nitaraina tany amin’ny Fokontany ka izy ireo no nandefa ahy tety amin’ny Centre.
Tao no nahatonga ahy hanaraka fiofanana tato amin’ny Gender Links, nanomboka ny volana ôktôbra 2013 ka hatramin’izao. Tsy mbola nanapaka tamin’ny fampiofanana aho satria be dia be ny tombon-tsoa azoko tamin’izany. Ny fampiofanana mikasika ny fitantanana no tena nahaliana ahy. Lavitra dia lavitra ny toerana misy ahy ny toeram-piofanana nefa dia tsy nataoko ho sakana izany.
Raha nanasa sy nipasoka lamba no antom-pivelomako talohan’ny fiofanana dia mamboly sy miompy aho amin’izao. Nanampy ahy tokoa ny fanofanan’ny Gender Links, toa izany koa ny toro-hevitry ny Ben’ny tanàna. Tsy dia nisy olon-kafa nanampy ankoatr’ireo aho. Tsy manam-bady intsony aho ka dia manao izay hamelomako ny zanako.
Mamporisika ahy amin’ny fiofanana ampanaovin’ny Gender Links ireo zanako ireo satria ampitaiko aminy izay mba voaraiko ary tena mahaliana anay mianakavy izany. Somary ahitana fialonana ny manodidina satria mahita fandrosoana eo aminay. Miteny ho azy amin’ny manodidina ny fandrosoana hitany eo aminay ka mahatonga azy ireo hitsiriritra sy ho velom-pialonana.
Modely tsara sy toro-hevitra anefa no omeko ny ankohonako sy ny manodidina. Mivelatra kokoa ny saiko amin’izao fotoana izao ka dia manan-kevitra mivelatra amin’ny fivelomana aho sy ny ankohonako. Ny fahaiza-mitantana no tena lesona nahaliana ahy ary tena ampihariko amin’ny fiainanay. Roa lahy no tena mbola adidiko eo am-pelatanako ka dia milofo mampianatra ny iray aho hatramin’izao. Maniry ny hitohizan’ny fanofanana aho indrindra fa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
Sustaining the Movement: Feminist Fundraising in Uncertain Times. #FeministFunding #HumanRights
— Gender Links (@GenderLinks) June 5, 2025
🔗 Link to register: https://t.co/FAI4SdgDhg pic.twitter.com/AcY1BKDTCL
📣Appel à candidatures !
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
Le #MarangFund est désormais ouvert !#Botswana #Lesotho #Maurice #Madagascar #Namibie
Subventions jusqu'à 50 000€ disponibles pour soutenir des initiatives LGBTIQ.
Date de clôture: 30 juin 2025.https://t.co/uuoUTibOh6 pic.twitter.com/I5aH7NRLhg
Call for Applications!
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
The #MarangFund is now open! Grants up to €50,000 available to support LGBTIQ-led initiatives in #Botswana #Lesotho #Mauritius #Madagascar #Namibia.
Deadline: 30 June 2025.
Information & Apply: https://t.co/uuoUTibOh6 pic.twitter.com/uWqJc1cPLK
Empowering women, youths & men in @karibamunicipal. Today, Gender Links is supporting entrepreneurs to run successful pay toilet services & market hub through business skills training, market access & financial inclusion. Let us build a thriving local economy. @SwedeninZW pic.twitter.com/1t6PImGafw
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
⏳ Closing soon!
— Gender Links (@GenderLinks) June 3, 2025
REMINDER: We’re seeking a top-tier WordPress dev & designer to rebuild a visually striking, user-first Gender Links website.
🗓️ Closing date: 6 June 2025
🔗 https://t.co/bxYY7vN3VB
@GenderLinks is empowering communities through inclusive local economic development. Today's workshop in @MurewaRdc brought together women, youths & men from the waste management value chain to discuss growth strategies and market access. @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/ZjH8Q9WOiH
— Gender Links (@GenderLinks) May 30, 2025
Day 2 of @GenderLinks workshop in @nortontown is all about empowering local economies. The Fish Farming project is bringing women, men & youths together to drive growth through the Multi-Sectoral Steering Committee. #LocalEconomy @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/s4aFZ81GVo
— Gender Links (@GenderLinks) May 28, 2025
📣Call for Expressions of Interest!
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025
We’re seeking a WordPress web design & developer, with expertise to rebuild user-friendly, visually compelling and well-organised Gender Links websites.
Deadline: 6 June 2025
Info & submission👇https://t.co/bxYY7vN3VB pic.twitter.com/fed7GfyMFl
Gender Links empowers the @nortontown community through aquaculture capacity building. Today, we are strengthening the Norton Fish Farming Cooperative, supporting women, youths, and men in the aquaculture value chain. #localdevelopment @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/27F314RdfP
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025
Gender Links empowers the @nortontown community through aquaculture capacity building. Today, we are strengthening the Norton Fish Farming Cooperative, supporting women, youths, and men in the aquaculture value chain. #localdevelopment @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/27F314RdfP
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025