
SHARE:
Razafiarisoa Marie Hélène no anarako, 27 taona aho izao ary manan-janaka telo (iray lahy sy roa vavy). Manam-bady aho ary miara-mipetraka izahay amin’izao fotoana izao. 15 taona aho no nanambady ary hatreo amin’ny kilasy T2 no mba fianarana vitako. Vao nifamofo izahay dia efa namono ahy foana ny vadiko ary na dia bevohoka sy vao avy miteraka aza aho dia voavono hatrany. Saro-piaro be loatra io vadiko io ka izany no tena amonoany ahy foana satria na miaraka eny an-dalana aza izahay dia tsy avelany hitraka mihitsy aho sao mijery lehilahy.
Indray andro dia nifamaly izahay ka niakatra ny feo. Tsy nampoiziko anefa dia notorahany tamin’ny kaopy bakoly ary vaky ny lohako. Nitsoaka aho satria atoandro tamin’izay. Nenjehiny aho saingy tsy tratrany ka dia lasa tany amin’ny CECJ Ambohibao aho ary nasain’izy ireo naka certificat medical tany amin’ny CSB II aho. Ny tao amin’ny CECJ dia nampiantso azy ary dia nampahafantarin-dry zareo tao azy ny zon’ny vehivavy sy ny sazy mety ho azon’izay manao herisetra. Tsy resy lahatra anefa izy fa nilaza ny hitady fikambanan-dehilahy hiaro azy izy.
Niditra ho mpikambana tao amin’ny fikambanam-behivavy Mandroso izay natsangan’ny Ben’ny Tanana aho mba hahazoako mivelatra sy mitandro ny zoko. Hitako fa nijanona ho vava fotsiny io nataony io satria tsy sahy nampiseho herisetra tamiko intsony izy hatramin’io fotoana io indrindra tamin’ny fahalalany fa mpikambana amin’ny fikambanam-behivavy aho. Ramatoa Ben’ny tanàna no nahatonga ahy nanaraka fiofanana tato amin’ny Gender Links.
Nanomboka ny volana ôktôbra 2013 aho no niofana tamin’ny Gender Links ary mbola tsy nanapaka tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny fiofanana. Maro ny lahadinika narahako tao toa ny momba ny herisetra; ny fandraharahana, ny fitatanam-bola, ny solosaina, ny fandraharahana, sns…Ny fampahafantarana ny maha izaho ahy sy ny zoko no tena nahafinaritra ahy tamin’ny fiofanana ka nahatonga ny herisetra mpianjady amiko mba hihenkena.
Lavitra be ny toeram-piofanana ny tanàna ipetrahako ary tsy maintsy mitady olona hiandry trano aho isaky ny hanaraka fiofanana. Tsy nataoko ho olana izany satria tena nahaliana ahy loatra ireo fiofanana nomen’ny Gender Links. Mpiompy sy mpamboly aho ary tena nanampy ahy tokoa ny fanofanana azoko satria maro ny zavatra tsy fantatro taloha nefa mazava amiko ankehitriny.
Nanampy ahy ara-kevitra ny Ben’ny tanàna hatramin’izay ka hatramin’izao. Nikasi-tanana ahy ny vadiko taloha nefa tsy manao izany intsony izy ankehitriny. Matahotra ahy izy ankehitriny noho ny fahalalako ny zoko, vokatry ny fiofanana nomen’ny Gender Links ahy.
Tena nankalazain’ny fianakaviana aho satria nitondra fiovana teo aminay ny fiofanana izay narahiko. Tsy manan-kambara ny manodidina ary hitako nanisy vidiny ahy ry zareo.Misy ifandraisany ny fananam-bola sy ny herisetra satria manan-kaja kokoa ianao rehefa manam-bola ka dia tsy iharan’ny herisetra. Manome lanja ahy kokoa ny mpiara-monina ary matoky ahy ka mila torohevitra amiko. Mbola tsy dia afaka nanampy ny mpiara-monina aho, noho ny tsy fahaizako manoratra, fa izay mba kely fantatro no mba nampitaiko amin’izy ireo. Na dia izany aza dia somary mahay mitantana kokoa aho izao.
Hitako ho mivoatra kokoa ny fiainako ankehitriny ka mino aho fa mba ho tafita amin’ny fianarana ny zanako 3 mianadahy satria ny adala no toa an-dreniny. Mba maniry ny fampianarana mamaky teny sy manoratra aho ary mirary soa sy misaotra anareo amin’ny fitiavana nasehonareo.
Sustaining the Movement: Feminist Fundraising in Uncertain Times. #FeministFunding #HumanRights
— Gender Links (@GenderLinks) June 5, 2025
🔗 Link to register: https://t.co/FAI4SdgDhg pic.twitter.com/AcY1BKDTCL
📣Appel à candidatures !
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
Le #MarangFund est désormais ouvert !#Botswana #Lesotho #Maurice #Madagascar #Namibie
Subventions jusqu'à 50 000€ disponibles pour soutenir des initiatives LGBTIQ.
Date de clôture: 30 juin 2025.https://t.co/uuoUTibOh6 pic.twitter.com/I5aH7NRLhg
Call for Applications!
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
The #MarangFund is now open! Grants up to €50,000 available to support LGBTIQ-led initiatives in #Botswana #Lesotho #Mauritius #Madagascar #Namibia.
Deadline: 30 June 2025.
Information & Apply: https://t.co/uuoUTibOh6 pic.twitter.com/uWqJc1cPLK
Empowering women, youths & men in @karibamunicipal. Today, Gender Links is supporting entrepreneurs to run successful pay toilet services & market hub through business skills training, market access & financial inclusion. Let us build a thriving local economy. @SwedeninZW pic.twitter.com/1t6PImGafw
— Gender Links (@GenderLinks) June 4, 2025
⏳ Closing soon!
— Gender Links (@GenderLinks) June 3, 2025
REMINDER: We’re seeking a top-tier WordPress dev & designer to rebuild a visually striking, user-first Gender Links website.
🗓️ Closing date: 6 June 2025
🔗 https://t.co/bxYY7vN3VB
@GenderLinks is empowering communities through inclusive local economic development. Today's workshop in @MurewaRdc brought together women, youths & men from the waste management value chain to discuss growth strategies and market access. @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/ZjH8Q9WOiH
— Gender Links (@GenderLinks) May 30, 2025
Day 2 of @GenderLinks workshop in @nortontown is all about empowering local economies. The Fish Farming project is bringing women, men & youths together to drive growth through the Multi-Sectoral Steering Committee. #LocalEconomy @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/s4aFZ81GVo
— Gender Links (@GenderLinks) May 28, 2025
📣Call for Expressions of Interest!
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025
We’re seeking a WordPress web design & developer, with expertise to rebuild user-friendly, visually compelling and well-organised Gender Links websites.
Deadline: 6 June 2025
Info & submission👇https://t.co/bxYY7vN3VB pic.twitter.com/fed7GfyMFl
Gender Links empowers the @nortontown community through aquaculture capacity building. Today, we are strengthening the Norton Fish Farming Cooperative, supporting women, youths, and men in the aquaculture value chain. #localdevelopment @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/27F314RdfP
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025
Gender Links empowers the @nortontown community through aquaculture capacity building. Today, we are strengthening the Norton Fish Farming Cooperative, supporting women, youths, and men in the aquaculture value chain. #localdevelopment @MoLGPWZim SUPPORTED BY: @SwedeninZW pic.twitter.com/27F314RdfP
— Gender Links (@GenderLinks) May 27, 2025