Madagascar: Razanamavo Odette

Madagascar: Razanamavo Odette


Date: April 28, 2016
  • SHARE:

Razanamavo Odette no anarako, 54 taoana aho amin’izao ary mipetraka ao amin’ny fokontany Ambohiùasina kaominina Ambatondrazaka. Teo amin’ny nitaiza ny zanako faha telo(03) aho no nanomboka nijaly ara-panambadiana. Mpamboly ny asan’ny vadiko ary namokatra tsara izany taloha. Nanana omby sy tanimbary ny vadiko talohan’ny nanambady ahy ary mbola niasany izany tamin’izy naka vady sy niteraka tamiko. Volana vitsy taorian’ny nahaterahan’ny zanakay faha telo no niova ny toetrany, izany hoe efa naditra iha ny izy teo aloha fa tsy mbola fantaro ary nafeniny ahy. Nanomboka namidiny ny omby tsy nisy fifampiresahana tamiko na kely aza, tsy nisy vola niditra antrano anefa ny vidin’ireo omby ireo fa ampirevena sipa sy namana foana. Niafara tamin’ny fivarotany ny tanimbary anefa izany satria nisy fotoana izy nandeha niala tao antrano nilaza fa hamonjy fahoriana fa misy maty ny havany. Hay tsy marina fa niaraka tamin’ny sipany nitsangatsangana sy nanadany ny vola vidin’ny tanimbary sy ny omby no nataony. Tapabolana ny vadiko vao nody tamin’izay satria lany vola, olona sendra naahita azy roa nampiaraka no nitantara tamiko tamin’izay. Raha sendra naontany azy aho mahakasika ny tany sy ny fananana dia ompa sy taimbava no azo fa  hoe tsy azy hono ireny ka tsy misy idirako. Tsy nisy asa ihany koa izy qnanomboka teo.  Niaraka nanarato tamin’ny namako no fitadiavam-bolako nanomboka teo, izao raha teo efa nanao io asa io fony mbola nipetraka tamin’ireo ray amandreniko raha to aka tsy naharaka nampianatra ahy izy ireo fony fahakeliko. Teo amin’ny kilasy 5ème aho no voatery niala nianatra tamin’izany. Rehefa avy manaratodia izay ny vola miditra, ny lehilahy indraindray mahita indraindray tsy mahita, na misy aza aminy dia aleony isotroany toaka sy ilokana ny vola. Matetika ary izy rehefa avy manarato izahay dia efa mamo eo ambony fandriana no hatrararana azy. Rehefa tsy misy sakafo na ratsy ny laoka dia voavono sy voadaka miaraka amin’ny teny ratsy no azo. Ny zanakay amin’io marary lava, tsy ampy sakafo, mahia.  Taty aroiana dia nahita asa tao amin’ny elevage ny vadiko ary izaho nahita asa mivarotra sakafo masaka miaraka amin’ny patron ihany koa. Tsy mbola nampiova ny vadiko tamin’ny fanaony teo aloha anefa izany fa vaomainka naditra satria nisy fidirambola.

Taty aoriana kosa aho rehefa nifanehina tamin’ny namako dia nitaona ahy zareo hiaraka hanao fiofanana tsy handoavam-bola izay karakarain’ny gender links. Tsy nisalasala aho nanaiky na dia mbola tsy fantatro aza hoe inona izany gender links izany. Nisy ny fifampiresahina mialoha tamin’ny tomponandraikitra teto ambatotondrazaka mialohan’ny fiofanana izay nataon’I Madame Rasoamaniry taminay ary vao maika nandrisika ahy izany. Rehefa avy miofana aho dia azavaiko azy ny zavatra rehetra nataonay teny amin’ny toetrampiofanana mahakasika ny herisetra sy ny miralenta satria dia zavatra mihatra ao antokatranonay avokoa ny resaka tamin’izany. Nampiova nyvadkiko ny firesahako matetika taminy, izy koa moa narary ary saika matin’ny fisotroan-toaka ka nijanona tsy fidiny tamin’ny fisotroana. Ny tena namarihako ny tantarako dia ny fahalalahako ny miralenta sy ny herisetra.

Isan’ny olona tena niharitra mafy ny herfisetra tao antoka-trano ny tenako ary tena vehivavy niharitra ny mafy. Tamin’ny 18 octobra 2014 aho no nanomboka nanao fiofanana tamin’ny gender links. Nanaraka ny  ireo dingana rehetra  aho hatramin’zay ka hatramin’izao. Ny resaka fandraharahana sy fianarana mitahiry ny vola mivoaka sy ny miditra no itako tena nahaliana ahy sy nety tamiko satriaireo no tena afaka nampiariko amin’ny asa famaeloman-tenako. Ny mikirakira ordinatera no tsy dia nahaliana ahy loatra satria efa lehibe  ny tena dia tsy dia misy liana azy loatra intsony, eo ihany koa ny tsy  fanana vola hanaovana azy. Ny olana  nosedraiko nandrtitra ny fiofanana di any aditsainan’ny fianarana lesona satria ny tena moa efa be ny zavatra nandona ny loha ka mila mandrangitra kely. Ny fomba namahako izany olana izany dian nianarako niadana taty aoriana ny lesona mahakasika sy asa fandrarahana sy ny fikirakirahana ny varotra mba ho tonga lafatra.

Nisy fiovana betsaka rah any tenko manokana haiku ny nampiahatra ireo fiofanana narahako hatramin’izay ary hitako fa nisy fivoarana ny fiainako sy ny ankohonako. Ny asa nataoko talohan’ny fiofanana dia nivarotra mangazo masaka,sy karazan’entana legume, akondro, tongolo, mofo mangahazo, vittsine, sakay voatoto …. Amin’izao fotoana izao dia ireo ihany no amidiko fa nampiharoko fotsiny ny fomba fitantanana ny vola miodina. Isan’ny tena nanampy ahy teo amin’ny fiainako tokoa ny fiofanana satria nahaizako ny paikadin’ny asa fandraharana isan-karazany. Nanampy ahy ihany koa ny kaominina satria any no anaovako ny taratsay momba ny asa fandrarahana rehefa mivarotra. Isan’ny olona tena nanampy ahy I Madame RASOAMANIRY tamin’ny fidirana tamin’ny fiofanana; nanampy ahy ihany koa ny mpikambana rehetra tao amin’ny Gender links.

Ny fiovako teo amin’ireo oloana akaiky ahy dian ny fifandraisako amin’ireo mpiray vodirindrina amiko sy ny olona izay mifamezivezy amiko ary ny fanajako ny firaisankina eo amin’izy ireo. Ny karazaka herisetra nianjady tamiko teo aloha di any fisotroan-toaka, ny fandrahonana sy ny fikasian-tanana  ary ny tsy fanomezam_bola sy ny fanitsakitsahana izay nataon’ny vadiko. Tsapako nisy fiovana izany herisetra nianjady tamiko izany amin’izao satria nihena ny fisotroan-toaka nataon’ny vadiko, tsy misy intsony ny fandrahonana sy ny faneriterena ao an-tokatrano. Nisy fiantraikany teo amin’ny fiainako tokoa izany satria niha nilamintsaina ireo ray amandreniko rehefa nahita anay mivady tsy dia miady lava intsony, indrindra moa ny fahitako loharanom-bola mazava isan’andro dia nampilamina ny vady amanjanako, nampiala azytamin’ny fisotroan-toaka. Faly ny fiaraha moninamanididina ahy satria tsy misy tabataba sy ady lava amin’ny alina intsony aminay ka milamina tsara ny tanàna. Mahakasika ny fahazakan-tena ara-bola sy ny herisetra indray kosa dia misy ifandraisany satria rehefa misy vola ianao dia tsy misy intsony ny herisetra.

Liana teo amin’ny fiovana nisy teo amin’ny tokatranoko ny fiaraha monina manodidina ahy ary mangetaheta ny toa ahy ny sasany ka manontany hoe fa ahoana no niova be ny vadinao nefa isan-kalina dia tsy maintsy misy tabataba foana. Mitovy amin’ny olon-drehetra ny fiainanay amin’izao ary miaraka amin’ny fiaraha monina tsara. Tsy misy mitory eny amin’ny fokontany intsony izahay amin’ny ady lava sy tabataba isan-kalina.

Ny anjarabiriky entiko anampiana  ny fiaraha monina dia raha mahita na misy vehivavy herisetra  tahaka ahy dia mba omeko hevitra izy mba hanarenanay ny fiainany. Ohatra, mba asaiko mananatra moramora ny vadiny ary atorotoro azy ny paik’ady rehear amin’ny asa tokony ataony. Amin’izao fotoana izao, ny tombony hananako mihoatra ny afa dia ny fanaovako sy ny fampitomboako ny asa fandrarahana.

Ny lesona azoko notsoahina tamin’ny fiofanana dia fanaovana ny sa fandrarahana ny fanaovana paikady momban’ny fitadiavana toerana anaovana aasa fandrarahana ary managona ny kojakoja entina manao izany ary fahadiovana sy ny fandraisana tsar any mpanjifa. Ny fomba hampiarako izany lesona izany dia amin’ny alalan’ny vola sy ny fahaizana nifandray aman’olona ary ny fanamboarana tsar any varotra. Ny kasaiko atao amin’ny hoavy di any mba hiantoka vorona halefa any toamasina toa an’ireo namana izay efa manana vola hatao amin’izany. Ohatra : gana, gisa, akoho… Raha faka 15 taona dia ho hitako fa hivoatra tsara nhy fiainako satria hitombo ny asa fandrarahana hataoko ary ny vadiko dia efa miara-miasa amiko amin’izao.

Ny teny farany angamba dia fisaorana mitafotafo hoan’ireo rehetra mpikarakara ny gender likns , misaotra ny lehiben’ny gender liks dia I Madame Yalfine sy ireo mpiara miasa aminy rehetra na ny any Antananarivo na ny eto Ambatondrazaka. Andriamanitra manakarem-pasoavana anie hitahy sy omba anareo rehetra.