RAZAIHARISOA Blandine

RAZAIHARISOA Blandine


Date: March 31, 2016
  • SHARE:

Raha mbola teo anivon’ny Ray aman-dreniko aho dia nianatra nefa ny Reniko dia vehivavy nananintena ka tsy afaka tamin’ny fivelomana ary dia tsy afaka loatra tamin’ny fivelomana fa zara raha nihinana ary zara koa raha nianatra, ka hatramin’ny kilasy T5 dia tsy afaka nanoy ny fianarana intsony ka ny nanampy ny Reniko no nataoko tamin’izany rehefa tsy nianatra intsony aho. Nandeha ny fotoana ka hitako fa tena sahirana ny reniko amin’ny famelomana anay dia nadeha aho nitady asa ka dia niasa trano no nataoko, vao roa ambiny folo taona monja aho no nanao izany asa izany. Ary niasa dimy taona dia noterena hanambady nefa tsy mbola mahalala izany fanambadiana izany akory. Rehefa tonga tao amin’ny fanambadiana dia niteraka ary nanomboka namboly sy niompy tao antokantrano ary rehefa avy eo dia raikitra ny olana ary dia lasa izy nanambady hafa fa izaho kosa mipetraka mamelona ny zanakay.

Ny nanomboaka nadray anjara tamin’ity fiofanana ity no nahitako zava-baovao maro mihoatra ny an’ireo olona sasany, ohatra amin’izany ny lasa nananako fahatokisan-tenakokoa mihoatra ny taloha, nahatsapa aho fa nihena ny fahasairanako, nanana fahasahiana bebe kokoa teo anivon’ny fiarahamonina. Etsy andanin’izany moa ny fahitako ireo zava-baovao maro be toy ny fidirana tao anaty trano fisakafoanana sy fahatoriana raitra dia raitra tokoa, ny fahitana sy fianarana izany solosaina izany na dia sarotsarotra azy ny nandray io fampianarana io dia niezaka hatrany satria mba te hitovy amin’ny rehetra , ny sakafo ihany koa moa dia tena nahafam-po tanteraka, ary indrindra indrindra ihany koa ny fahaizan’ireo mpampiofana nampita ny zavatra tiany ampitaina aminay tsirairay avy sy ny fikelezany aina.

Raha ny nanomboaka nandray anjara tamin’ity fihofanana ity dia tamin’ny taona 2013 ka hatramin’ny taona 2015 raha mbola misy hatrany moa io fiofanana io dia mbola vonona ny andray anjara hatrany ny tenako.

Nandritra izay roa (02) taona nampihofanana anay izay dia maro ireo dingana tokony ho nolalovanay ary anisan’ny nanatrika izany dingana rehetra izany ny tenako,tsy nisy ny tsy fahatongavako na dia teo aza ny olana saika tsy nahafahako nanatrika izany fa dia tonga navitrika hatrany sady hitako fa ilaiko @ fiainako andavan’andro ny fampiofanana anay.

Efa voalazako teo ambony ihany moa fa maro ireo dingana nolalovanay ary tao anatin izany dingana izany dia maro ihany koa ireo lahadinika hitanay toy ny tantaram-pianana,fampandehanana ny asa fandraharahana,ny fomba fitatanam-bahoaka fijerena momba ny varotra sns … ary anisany ilaiko avokoa izay nampianarina anay rehetra fa ny nifandraika tamin’ny zavatra ataoko andavan’andro dia ny resaka fampandehanana ny varotra ,ary tsy nisy ireo lahadinika tsy dia mahakasika na tsy dia nilaiko loatra .

Nandritra ny fihofanana moa dia hita iany ny olana kely teny andalana teny, ny tsy dia nahafahana namaky ny boky matetika nohon’ny tsy dia fampian’ny fotoana firy afaka nanaovako izany loatra kanefa tena ilaina tokoa ny famakiana io boky io matetika. Nandeha ihany anefa ny fotoana teny dia voavaha ihany izany olana izany.

Tamin’ny fotoana tsy mbola nisian’ity fiofanana ity dia nisy ihany ireo fitadiavam-bola kely izay nataoko toy ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanasana lamba, nanomboka nisy kosa ity fiofanana ity dia nisy ny vola izay noraisinay mba afaka nanitarana kely izany fitadiavam-bola izany sy mba entina hanatsarana izany ary ankehitriny efa mba lasa nivoatra nohon’ny teo aloha izany ary lasa nivoatra avokoa toy ny (varotra legioma, kisoa, akoho, ….) indrindra moa fa nahazo fiofanana ny amin’izany fivelomako izany aho vao maika nandrisika ahy ny hanavao izany asako izany.

Tena hita taratra tanteraka ny fiovana teo amin’ny fiainako nandritra ny nisian’ity fiofanana ity, ary dia nahatsapa aho fa ny fampiofanana dia anisan’n torolalana iray lehibe nampivoatra ahy teo amin’ny fiainako.

Teo ihany koa moa ny fanampian’ny kaominina no nahafahako nandray anjara tamin’ity fiofanana itysatria ny tenako dia anisan’ny nosafidian’izy ireo, na dia nisy azan y fisalasalako satria nihevtra ihany aho fa sao dia zavatra fandaniam-potoana fotsiny ihany izy ity moa ihany koa nihevitra aho fa sarotra amiko ny mety andraisako izay fampianaranaatao ahy, kinanjo nifanohitra tamin’izany ny zavatra nisy ary dia tonga navitrika hatrany foana ny tenako. Ny ben’ny Tanan’ny kaominina tsiafahy ( Mr Mahefa) dia anisan’ireo tao amin’ny kaominina tena nanampy ahy ary nanosika ahy hanao ity fiofanana ity na ara-bola na ara-tsaina izany.

Nandritra ny fiainako niaraka niaina tamin’ny vadiko izay no tena nahatsapako fa tena niharan’ny herisetra aho ary tena niaina tao anatin’izany, ny vadiko mantsy rehefa avy misotra ny zavatra misy alikaola any ka miditra ao an-trano dia avy dia mamono na dia tsy hita mazava ary ny anton’ilay fahatezerany, rehefa tezitra avy any amin’ny alehany any ihany koa izy dia izaho no hanaparany izany hatezerany izany, teo ihany koa ny faneren’ny Ray aman-dReniko ahy hanambady, eny na dia olona tsy tiako aza no natolotr’izy ireo ho ahy haka vady ahy ka taty aorina dia nisy foana ny disadisa tao an-tokatranoko satria dia tokan-trano tsy dia nanjakan’ny fitiavana loatra.

Fa ankehitriny kosa ny tenako dia tsy miaina ao anatin’izany herisetra izany intsony satria dia nisy ny fisarahana teo aminay mivady rehefa samy nandinika izahay dia ny fisarahana no hitanay mba hany sisa mety amin’ny fiainanay; miampy ny fiofanana izay natoanay koa moa dia efa mahay izany ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy izany rah any tenako manokana ka nataoko anatry ny sis any zavatra efa nampijaly ahy ka tsy nanambady intsony ny tenako ankehitriny.

Na dia nisy aza izany fisarahana teo aminay izany dia tsy natao ho vato misakana na hampisy olana teo amin’ny fianakaviako n any fianakaviany afatsy ny ho any fifandraisana teo aminay ihany angamba no tsy nisy intsony, izy rahateo koa moa tsy nandalo taty amin’ny misay sy ny zanako intsony, ary amin’izao ankehitriny izao dia mbola notazomiko hiara-miaiana amiko ireo zanakay satria mahatsapa aho fa mbola misy ny adidioko tsy mbola vitako amin’ireo zanakay ireo.

Ary raha nanomboka niha nilamina tsara amin’izay ny fiainanay tao an-tokarannonay, tsy nisy intsony ny gidragidra lava ao an-tokatrano, misakafo ara-dalana tsara izahay ao an-trano dia nahtsapa ireo olona akaiky ahy fa hivoatra amin’izay ny fiainako sy ireo zanako.

Ka tamin’izany dia rehefa nandinika sy nisaintsaina tsar any zava-nisy nahazo ahy teo aloha dia nahatsapa fa tena misy ifandraisany tokoa ny fahazakan-tena ara-bola sy ny herisetra raha araka ny hevitro manokana satria ny vola ihany no mahatonga ny herisetra.

Raha any eo anivon’ny fiarahamonina misy anay indray no ho resahina dia tsy hitako loatra ny fiovana teo aminy satria ny vadiko na manakorontana aza dia ny an-trano antrano ihany no korontaniny fa tsy mba mandeha manalabaraka any any an-tokotanay na eny andalam-be izy na koa hoe mandravarava ny zavatry ny olana hafa any fa ny ao an-trano ihany no hanaovany izany.

Amin’izao fotoana izao kosa ny fiaramonina misy anay dia mahatsapa fa lasa mahay mizaka tena irery aho na dia lasa ary iny vadiko iny ohatra: ny sakafo ao an-trano dia izaho irery ihany no mitady izany; afaka nanampan-kevitra irey aho raha sendra misy ny zavatra tiako atao ka hitako fa mety mahasoa ahy fa tsy toy ny teo aloha; manana ny fivelomako ho ahy irery aho fa tsy itambarako amin’ny olona hafa ohatra: ankehitrinay aho dia manana karazana biby ompiana ary tena ahy izany fa tsy toy ny teo aloha hoe mbola miantoka ny an’olona hafa dia zaraina izay tombony azo amin’izany fa efa ahy irery mihitsy amin’izao ka izay tombony rehetra azoko dia ahy irery no mandidy sy manapaka izany.

Rehefa afaka tamin’izany fijaliako izany kosa ny tenako dia tsy hadinoko ny mitondra ny anjara birikiko ho entiko hanasoa ny miaramonina amiko izay hianjadian’ny herisetra mitovy ny mahazo ahy teo aloha, maporisika azy ireo ihany koa ny tenako mba hiarako hanao ity fiofanana ity satria tsapako fa mey mahasoa azy ireo ihany koa raha manao ity fiofanana ity izy ireo izay iharan’ny herisetra mitovy ny nanjo ahy teo aloha.

Amin’izao fotoana izao ny tombony hananako mihoatra amin’ny hafa dia ny fahitako zavatra maro, lasa manana fahasahiana, lasa mahatoky tena, ny herisetra tsy mianjady amiko intsony.

Nisy tokoa ireo lesona izay azoko notsoahana nandritra iny fiofanana izay nataonay iny toy ny tsy fahaizako nitantam-bola taloha fa ankehitriny efa voafehiko tsara izany, Nahaizako nikitika izany solosaina izany, fahaizana mampandeha ny asa fandraharaharana, ny fahaizana mitantana ny vola mivoaka sy miditra, ny fahaizana miady amin’ny herisetra raha sendra misy indray izany any aoriana any.

Ny fomba nampiarako izany lesona izany kosa dia miaina tanteraka amin’ny fiofanana izay nataoko aho, ka tsy isalasalako ny mampihatra izany

Raha ny zavatra kasaiko hatao amin’ny ho avy kosa indray dia ny mba hanampy ny fiompiana sy ny fambolena ho tsaratsara kokoa mihoatra izay efa hananako, ny hanitatra ny varotra bebe kokoa, hampianatra ny olona hivoatra amin’ny fiainana.

Raha afaka dimy ambiny folo taona kosa ny fiainako ny fahitako azy raha tanteraka daholo ireo zavatra kasaiko atao ireo dia tsapako fa tena ahavita tena tanteraka aho ary hiezaka hatrany ny hanao izay ho tratry ny heriko mba hanatsarana hatrany ny ho aviko.