7km ny renivohitry ny faritra Androy no ahitana ny kaominin’ny Tsimananada. Anisan’ireo kaominina tena mamokara izy io raha tsy hiresaka ny vokatra bageda ny taona 2013 dia mihoantra ny 300 tonne ka i fort dauphin sy toliara no tena mpividy ireo vokatra ireo. Manana mponina miisa 24 484 ny kaominina, raha ny refin’ny velaran-taniny dia mbola tsy fantatra tamin’ny nandalovanay tany an-toerana. Manana EPP 14 izy ireo ary CEG 1. Tsy mbola manana CSB II kosa ny kaominina.
Olana sedraina eny ifotony ny fotodrafitr’asa satria raha tsy hiresaka ny tsy fananana ny CSB dia ny sekoly ireo dia vita amin’ny akora fahita eny an-toerana. Izany hoe telo (03) ihany amin’ireo 14 ireo no manara-penitra. Ka noho izany ny ankabetsahan’ireo EPP dia efa simba avokoa. Na dia izany aza dia tsara ny vokatra azo any an-toerana satria raha ny vokatra farany ny CEPE 2014 dia 90% ny vokatra.
Betsaka koa ireo olona miompy, omby, osy ary akoho amam-borona no tena ompian’izy ireo.
Comment on Tsimananada COE